♦ Olona 4 no maty, maherin'ny 16000 ny traboina, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Freddy, raha ny tarehimarika vonjimaika navoakan'ny BNGRC androany... ♦ Misy Solombavam-bahoaka maromaro, hanolotra tolo-dalana hanatsarana ny firafitry ny CENI. Efa mandeha ny ady sisika mba hahafahana mampandany izany eny Tsimbazaza, hoy ny Depiote Roland Ratsiraka... ♦ Hohenoina tsirairay eny amin'ny PAC indray, ireo tale 36 eo anivon'ny JIRAMA, voarohirohy amin'ilay raharaha fizarana "prime" mihoapampana. Efa nohenoina androany ireo sendikan'ny mpiasan'ny JIRAMA, izay mpitory...
♦ Heverina hivoaka any amin'ny lakan-dranon'i Môzambika anio tolak'andro ny rivo-doza Freddy. Foana avokoa ny loza mitatao sy ny loza manambana, ary ny fanairana fa filazana fahamailoana sisa... ♦ Hoy ny CENI : tsy miankina amin'ny CENI irery ny fahafahana miroso amin'ny fifidianana kaominaly, manoloana ny antson'ny mpanao pôlitika sasany, ny amin'ny tokony hamoahana tetiandro amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna... ♦ Mandeha araka ny tokony ho izy ny fanadihadiana ara-tontolo iainana amin'ny tetikasa lalam-be migodana, mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina, ka miankina amin'ny valin'izany no hanomezan'ny ONE valin-teny amin'ny fizotry ny asa... ♦ Miverina mianatra rahampitso ny mpianatra eto amin'ny Faritra Analamanga...
Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny ny amin'ny fiainan'ny tanora 18 hatramin'ny 21 taona, manoloana ny fitiavana. Misy ny fironana mampiahiahy ankehitriny ny amin'ny fiarahan'ny olon-droa mitovy fananahana. Tokony hanitsy ny fiheverany ny tanora fa tsy ny firaisana ara-nofo no tena atao hoe porofom-pitiavana. Betsaka ny tanora no manambany ny tenany ka mahalaza manao hoe : ratsy tarehy izy. Ho an'ireo +18 : Ny fidirana amin'ny sehatry ny fitiavana dia tsy midika hoe tara fa kosa manana fotoana kokoa aza handinihana ireo tokony hatao. Tsy voatery ho fahadisom-panantenana no manosika ny tanora hifankatia mitovy fananahana, isan'ny antony ireny ny fomba fanabeazana ireo tanora ao an-trano na eny amin'ny fiaraha-monina.
♦ Tany amin'ny Distrikan'i Ikalamavony no nisy ny ivon'ny rivo-doza Freddy tamin'ny 5 ora maraina teo. Hihena hatrany ny heriny amin'ity anio ity, ary tombanana hivoaka any amin'ny manodidina ny Distrikan'i Morombe anio tolakandro. Efa foana ny filazana loza ho an'ny Faritra Analamanga... ♦ Efa namoizana ain'olona iray sahady, omaly hariva, noho ny rivo-doza Freddy, ny tany Mahanoro. Mafy ny fahavoazana tany Mananjary, izay nidiran'ity rivo-doza ity, An'aliny ny tra-boina any Vatovavy... ♦ Ny ministra miisa 05 amin'ireo ministra 08 vaovao, no efa nandray ny fitantanana ny ministera omaly, taorian'ny famindram-pahefana...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco