♦ Hikasika ny morontsiraka atsinanan'ny nosy rahampitso alina na amin'ny alarobia maraina i Freddy, rivo-doza mahery vaika atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Tany amin'ny 1 600 km atsinanan'i Toamasina no nisy ny foibeny omaly folak'andro... ♦ Ho sarotra ho an'ny CENI ny ahatratrarany ny fanamby napetrany amin'ny isan'ny olona tafiditra anaty lisi-pifidianana hoy ny Sampanda Fanaraha-maso ny fifidianana SAFIDY manoloana ny tranga efa niainantsika hatramin'izay. Ilaina ny fanaovana fitsirihana na ny Audit mba hisorohana ny ahiahy tsy hiavanana... ♦ Minia tsy mihaino ny fitakiana ataony ny fitondram-panjakàna hoy ny valabe firasankinan'ny mpiasa malagasy. Hiroso amin'ny angaredona manoloana ireo olan'ny Sendika ny SSM...
Raha niseho tamin'ny Apôstôly i Kristy taorian'ny fitsanganany ho velona dia niteny hoe : " Homba anareo anie ny fiadanana", izay fiadanana tsy araka ny hevitr'izao tontolo izao. Na ao anatin'ny Eglizy aza dia misy mpianatr'i Kristy manana toe-tsaina ratsy toy ny : avonavona, fanambonian-tena ; isan'ireo tsy mampisy fiadanana ety an-tany. Katesizy momba ny fiaraha-monina izay fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
Alatsinainy 20 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Taona tsy ankasa — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 13-28)
Nanomboka tamin’ny Konsily tao Vienne, France (1311-1312), faha-Papa Clémént V, dia nofoanana ny «Ordre» atao hoe «des Templiers» izay karazana moines sady miaramila mpiady, miaro ny Tany Masina sy nanohitra ireo fahavalon’ny finoana (izany efa nahazo fankatoavan’ny Papa ny 29 Mars 1139). Io Konsily io koa no nanameloka ny fahadisoan’ireo Beguards momba ny fampianarany mikasika ny fahalavorariana ara-panahy. Nambara mazava àry fa ny fanahin’ny olona dia isan’ny mandrafitra tokoa ny tenany sy miray tanteraka aminy (natao izany mba ho fanoherana an’i Pierre de Jean Olivi).
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco