♦ "Ny fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana", izay no tara-kevitra hankalazana ny fetim-pirenena amin'ity taona ity, dia ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantenam-pirenena. Nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy androany teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny sary famantarana ny fankalazana... ♦ Hitarina sy asim-panavaozana ny trano misy ny Ivon-toeram-pirenena momba ny fizahan-tany sy ny fitantanana ny trano fandraisam-bahiny INTH, eny Ampefiloha... ♦ Hita faty nihatona tamin'ny tady ny ben'ny tanànan'i Bemanonga Morondava teo aloha, Roberto Miadamana... ♦ Misesisesy ny fandraisan'ny Papa Léon-XIV ireo tompon'andraiki-panjakàna vahiny ao Vatican...
Ny ohabolana dia karan-dahabolana Malagasy ary iombonan'ny Malagasy rehetra, lahabolana efa nisy tamin'ny faha-Ntaolo ary mbola ampiasaina ankehitriny. Ny ohabolana dia mety ho fehezan-teny tsoa-tokana na mifamaly rafitra, indrindra ara-kevitra, hatarafana fananarana sy fanabeazana ary fampitàna hafatra, atao an'ohatra. Mbola azo atao ny mamorina ohabolana ankehitriny rehefa hatarafana ireo fepetra voalaza etsy aloha. Manomboka amin'ny sakan-jaza no miakatra dia afaka manao izany ohabolana izany...
♦ Ao anatin'ny fiomanana tanteraka amin'ny fandraisana ny andro nasiônaly ho an'ny vovonan'ny olon-dehibe amin'ny volana aogositra izao ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Hatomboka amin'ny fiandohan'ny volana jona izao ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara... ♦ Nandiso ny fivoizana amin'ny fisian'ny baiko nataon'ny Ministry ny Fitsaràna tamin'ny fifaninanana fandraisana mpandraharaha ny fonja farany teo, ny tale jeneralin'ny sekolim-pirenena manofana ho mpandraharaha ny fonja... ♦ Namoaka didy ny fampanoavana any Rosia fa tsy afaka miasa any amin'ity firenena ity ny Amnesty International...
20 mey — Ny 08 septambra 1380 tao Massa Martima, no teraka avy amin'ny fianakaviana andriana i Bernardin. Vao telo taona monja izy dia maty ny rainy ary teo amin'ny faha-6 taonany izy no nodimandry ny reniny ka ny nenitoany no nitaiza azy.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco