Manana andraikitra haneho fifampitsimbinana ny Malagasy rehetra. Ny fitoniana dia singa iray afahana mikaroka vahaolana amin-javatra maro, atao toetra fototra ny fahitsina, ialàna ny famitahana. Ny tompon'andraikitra ara-panjakàna, olom-boafidy, ireo mpandraharaha, olom-boatendry dia mila manao ho zava-dehibe ny soa iombonana fa tsy hanao asa mifanohitra amin'ny fitsipi-pitondran-tena. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ekena tsy misy tomika lalan-dava àry ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny fahamasinany ao amin'ny Soratra Masina, ary anefa miharihary koa ny fietrena mampitolagaga nasehon'Ilay Fahendrena mandrakizay "mba hahalalantsika ny hatsaram-po tsy hay lazaina misy ao Aminy sy ny rindram-piteny nampiasainy mba hitsinjovana sy hitandroana ny maha olombelona antsika"... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Alahady 28 septambra 2025 - Alahady faha-26 mandavantaona — D : Ny soa atao levenam-bola. Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ho anay, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Mbola ho hita hatrany ankoatra ny elanelana mpampisatrakany mpanana sy ny mahantra eto an-tany ; anefa ny harena dia tsy ny vola ihany fa eo ihany koa ny fahaizana amam-pahalalana, ny talenta sy ny hatsaram-panahy. Ny fahantrana dia miseho amin'ny endriny maro toa ireo tsy nahazo fanabeazana, very zo, ireo tsy misokatra ara-panahy. Io elanelana io dia hitsimbadika any ankoatra any ka ireo ory teto an-tany dia ho tojo hasambarana...
♦ Handray fepetra entitra ho famerenana ny filaminam-bahoaka ny mpitandro ny filaminana mivondrona ao amin'ny EMMONAT. Ambenana manokana ireo toerana saropady isorohana ny fandrobana... ♦ Miantso ny hisian'ny fifampihainoana sy ny fifampiresahana manoloana ny zava-misy eto amin'ny firenena ny Filohan'ny FJKM teo aloha ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi... ♦ Sesilany ireo fanambarana manameloka ny fandrobana sy ny fanakorontanana niseho tamin'ny tanan-dehibe maro manerana ny nosy tao anatin'ny roa andro izay...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco