Zoma 3 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 14-29)

♦ Telo volana tsy nandray vola ireo mpamatsy entana sy fitaovana ny minisitera sy ny sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny. Nanao hetsika fanairana izy ireo androany, rehefa nilazana fa tsy misy vola ny fanjakana fa ny karaman'ny mpiasa no laharam-pahamehana... ♦ Mitaraina ireo mpitatitra entana amin'ny RN-6, fa misy fakana vola atao amin'ny mpamily fiarabe, vao afaka miampita ilay fivilian-dalana alohan'Antsohihy... ♦ Nitokona ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny tranon'ny Oniversite eny Ankatso, noho ny fahatapahan'ny famatsian-drano amin'ny trano fonenana, efa dimy volana mahery izao...

♦ Manapa-kevitra arak'izay tiany amin'ny fitantanan-draharaham-panjakàna ny Filoham-pirenena hoy ny Ministra teo aloha ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile. Tokony hajaina ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna manoloana ny hanajanonana ny fanaovana foto-drafitr'asa amin'ity taona ity... ♦ Manomana ireo ekipa mandrafitra azy hiatrika ny fanaraha-maso ny fifidianana amin'ity taona ity ny ivon-toerana SAFIDY. Manao ny atrik'asa fiofanana momba ny fifidianana tanterahana eto Antananarivo izy ireo... ♦ Hijoro afaka volana vitsy ny orinasa mpamokatra zezika NPK eto Madagasikara. Zezika 36.000 taonina isan-taona no hovokariny...

Ny faharerahan-tsaina dia miteraka famoizam-po. Ny famoizam-po mitondra ho any amin'ny famonoantena.  Mba hisorohana zavatra maro dia ilàna fitandremana ny "faharerahan-tsaina". Fandaharana "Mba ho vanona" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...