♦ Tontosa omaly teny amin'ny Ekar Antanimena ny Sorona Masina nitondrana am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa Emérite Benoît XVI. Niavaka tamin'ny fananany finoana, fanantenana ary fitiavana i Papa Emérite BenoîtXVI, ary teôlôjianina lehibe hoy ny Nonce Apostolique Mgr Thomasz Grysa, nandritry ny Sorona Masina omaly... ♦ Neken'ny filan-kevitry ny ministra ny fametraham-pialan'ny governoran'ny Banky Foiben'i Madagasikara. Efa voatendry ny handimby azy... ♦ Hotanterahana anio any Vatican ny Sorona Masina ho tarihin'ny Papa François, hitondràna am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa Emérite Benoît XVI sy hanaovam-beloma azy farany, aorian'izay ny fandevenana...
Ny fanirian’ny Fiangonana dia ny hahombiazan’ny finoana ao amin’ny tsirairay amin’ny alalan’ny ezaka ataony sy fanohizana ny zavatra nataon’i Jesoa teto an-tany tamin’ny fitoriana ny Evanjely sy ny fampitana izany tamin’ny Apostoly sy ny mpandimby azy. Fiangonana kely ao an-trano ny fianakaviana. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ho an'ny olombelona ny finoana, indrindra ho an’ny mpino. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Alakamisy 5 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Fahiny tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany, fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 43-51
♦ Tontosa androany ny Sorona Masina nitondrana am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa Emérite BenoîtXVI nodimandry ny sabotsy 31 desambra 2022 teo. Nitarika ny Sorona Masina ny Nonce Apostolique MGR Thomasz Grysa... ♦ Naverina eny amin'ny Fonjan'Antanimora i Mahery Lanto Manandafy (Malama). Nampanantsoina teny amin'ny brigadin'ny zandary eny Fiadanana indray izy androany... ♦ Miantso ny mponina eny amin'ny faritra avo misy ny Rovan'i Manjakamiadana mba hiala amin'izany faritra izany ny sampana mpamonjy voina noho ireo ambana mety hisian'ny fihotsahan'ny tany...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco