Alakamisy 9 marsa 2023 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 19-31)
♦ Nakotrokotroka androany ny fanamarihana ny Andro eran-tany ho an'ny Vehivavy. Teny Mahamasina ny ivon'ny fanamarihana nasiônaly, niarahana tamin'ny vadin'ny Filoham-pirenena... ♦ Voasakana kosa ny hetsiky ny Vehivavy TIM, izay saika hanamarika ny Andro maneran-tany ho an'ny Zon'ny Vehivavy, teny amin'ny Magro Behoririka, androany... ♦ Nahazo rariny teny amin'ny Filankevi-panjakana ireo mpampianatra, momba ilay raharaha tany Alakamisy Itenina. Nolavin'ny Fitsarana ny fangatahana fampiatoana sazy ireo mpianatra tsy nanaja ny fitsipiky ny sekoly sy tsy mety mihira ny Hiram-pirenena...
♦ Manaitra ny praiministra lehiben'ny governemanta ny amin'ny tokony hirosoana amin'ny fifidianana kaominaly ny antoko MMM. Tsy azo iodivirana ny hanaovana izany fifidianana izany amin'ity taona ity hoy ny filoha nasiônalin'ny antoko, Hajo Andrianainarivelo... ♦ Tanterahana ao Antananarivo-Renivohitra mandritra ny telo andro ny fanofanana momba ny Aro Loza sy ny fahasalaman'ny mpiasa... ♦ Nahazo zanak'akoho natao ompiana avy amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana hanatsaràna ny fidiram-bola ireo vehivavy anatin'ny fikambanana Ampela Mijoro...
Ny 08 marsa no fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy. Ny loha-hevitry ny fanamarihana amin'ity taona 2023 ity dia : "Fanabeazana ny ankizivavy, fampizankan-tenan'ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy". Ny 8 marsa dia andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy satria hita kokoa ny fisongadinan'ny fihenan-danjan'ny hasin'ny vehivavy. Isan'ny zo : manan-jo hiaina ao anaty fahalalahana tsy hiaran'ny herisetra ; zo ho salama vatana saina, zo hahazo fahalalana, zo hifidy, zo hanana asa mendrika, zo hanana fananana. Hafatra : aoka isika hafantatra ny zon'ny vehivavy...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco