Ny fanavaozana dia mila fifampatokisana, fahamarinana ary fitiavana. Ilaina ny fametrahana fitsipi-pifehezana mba hisorohana ny fifanipahana. Ny fanambarana hita eny amin'ny tambazotra sôsialy dia sintona lakolosy fanairana sy fampitandremana ary tena fitiavana hampandroso, indrindra raha tena matotra sy marina ny vaovao atosany fa tsy fakom-baovao na hitondra korontana. Miankina amin'ny fanabeazana sy ny sandam-bola ny fandrosoana satria ireo dia mahakasika ny olom-pirenena tsirairay mivantana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nitondra valin-kafatra tamin'ny tsikera nataon'ny solombavambahoaka sy mpanao pôlitika momba ilay solontenany voafidy ho mpikambana eo anivon'ny CENI ny andiana fiarahamonim-pirenena. Tsy tokony tsabahan'ny solombavambahoaka sy ny lehiben'ny Faritra ny safidin'izy ireo... ♦ Mbola tsy mahavaly ny fenitra takiana amin'ny fanondranana vokatra ara-pambolena i Madagasikara ka mila manao ezaka misimisy kokoa. Mbola taraiky mihoatra ny tany afrikana sasany isika malagasy... ♦ Hisokatra mialohan'ny 26 jona ny fiantsonana Fisandratana eny Amoronankona-Antananarivo-Avaradrano...
Ny fifankatiavan'ny mpivady mba hiteraka sy hanabe fara aman-dimby no isan'ny zavatra kendrena amin'ny fanambadiana. Andriamanitra no nahary sy nanorina ny Sakramentan'ny Fanambadiana. Lehilahy iray sy vehivavy iray manaraka ny lalàn'ny mariazy, miombom-piainana sy mifankatia, mifanaiky eo anatrehan'ny pretran'ny Fiangonana sy ny kristiana fa hifankatia marina ary hanorina tokantrano tsy azo ravàna... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
♦ Mbola afaka manondrana vokatra ara-pambolena betsaka kokoa isika eto Madagasikara, raha manaraka ny fenitra ara-pahasalamana SPS takian'ny any ivelany... ♦ 10 taona taorian'ny fahavitany, hisokatra ary hampiasaina mialoha ny 26 jona farafahatarany, ny Toby fiantsonana Fisandratana eny Amoronakona, hoy ny Ministry ny Fitaterana izay nitsidika teny an-toerana, androany... ♦ Ara-dalàna ary tsy nisy hosoka ny nahalany ireo solontenan'ny Firaisamonim-pirenena ho mpikambana eo anivon'ny Ceni hoy ireo andiana Fiarahamonim-pirenena misahana fifidianana...
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco