Anisan'ny nampisongadina ny vavaka ataon'i Jesoa ankoatra ny hoe fananany faharetana amin'ny vavaka, ny fivavahany lalandava, ny fananany herim-po ary indrindra ny fananany fahatokisana ny Ray. Anisan'ny adidin'ny mpisorona ny manolotra vavaka ho an'ny vahoaka an'Andriamanitra, ny mivavaka ho an'ny olona rehetra., eny ho an'ny fahavalo ihany koa... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

11 marsa 2025 — Talata, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)

• Nampahafantarina androany, ireo mpikambana vaovao eo anivon'ny Filankevitry ny Mariboninahi-pirenena... • Nanome toromarika hentitra ho an'ireo zandary mandrafitra ny vondrona manokana miady amin'ny asan-dahalo andiany faha-37, ny Lefitry ny Kaomandin'ny FIGN, androany... • Handalo eny anivon'ny Mpanara-maso ny asa, ny olana misy eo amin'ny mpitantana ny Kaominina Ivato sy ireo mpiasa milaza ho voaroaka...

• Hotanterahana any amin'ny Diosezin'i Morondava ny fanokafana ny faha-800 taonan'ny Antsan'ny Zavaboahary, manomboka ny 14 hatramin'ny 16 marsa 2025... • Mankalaza ny faha-10 taonan'ny Encyclique Laudato Si'. Izany no lohahevitry ny Andro Eran-tany ho an'ny MDMK/CVX, izay hiarahan'izy ireo mankalaza ny 25 marsa 2025... • Famantarana ny fanantenana ny fanaovana asa an-tsitrapo eo amin'ny fiaraha-monina ankehitriny izay andevozin'ny lojikan'ny varotra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny lahatsoratra nomaniny ho an'ireo mpirotsaka an-tsitrapo, nandritra ny fanakalzan'izy ireo ny Jobily...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...