Ny faneken'i Jesoa atao Batemy no mampianatra antsika hankatoa an'Andriamanitra Ray. Ny fanekena sy ny fanajàna ary ny fijoroana amin'ny Fahamarinana araka ny Soratra Masina ihany no fomba ankatoavana an'Andriamanitra tsara indrindra. Ny olona miaina ny Fahamarinana no ankasitrahan'Andriamanitra eo amin'ny fiainana. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.

Alahady 27 nôvambra 2022 — Alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao! Ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 24, 37-44

Mila mitandrina ny olona rehetra satria misy mandavantaona ny covid-19 ary mety ho tratrany daholo ny sokajin'olona rehetra. Marihina fa ity coronavirus ity dia mety hiditra amin'ny : orona, maso, lalan-drivotra, sofina, ary mamonjy ny avokavoka. Rehefa tonga ao amin'ny avokavoka ny tsimokaretina dia miparitaka amin'ny vatana amin'ny alalan'ny lalan-dra. Maro ny taova tafian'io tsimokaretina io. Ny fambara : mikohoka, voan'ny sery, manavy, sempotra, reraka, mangovingovitra, miakatra ny tosi-dra... Ny fahavoazana mety hitranga : mivonto ny fo, marary ny voa, fahasimban'ny sarakaty ka mampihetsika ny toe-batana diabetika, misy tsy fahatomombanana ny saina, marary ny hoditra...

♦ Manahy fanodikodinam-bola eo anivon'ny Jirama ny filohan'ny filan-kevi-pitantanan'ity orinasam-panjakàna ity. Vola 230 miliara Ariary ohatra no tombanana ho tsy niditra tao anatin'ny kitapom-bolan'ny Jirama, ka hisy ny "audit" atao... ♦ Manahy ny hisian'ny korontana aorian'ny fifidianana amin'ny taona 2023 ny Fiombonan'ny zanaka sy  zivan'i Madagasikara na ny FIZAZIMA. Resy lahatra amin'ny tokony hirosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena izy ireo... ♦ Mitaky ny hamoahana an'i Kadi Sento, mpikambana sendikà namoahan'ny fitsaràna didy fidirana an-tranomaizina herin-taona ny Randrana sendikaly. Efa nangataka amin'ny Praiministra ny amoahana azy ny OIT eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, hoy ity vondrona sendikà ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...