Ny fivoarana sy ny fandrosoana : Manambara fifindrana, na ezaka na hetsika, ho amin'ny toerana tsara kokoa. Ireto fototra dimy ireto no tokony hifandanja mba handavorary ny fandrosoana : ara-batana, ara-tsaina, ara-po, ara-panahy sy ny maha-olona ara-piaraha-monina. Toetra sakana : Mifosa mandany fotoana sy manakorontana ny fiaraha-monina... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco, niarahana tamin-dRamatoa Aliette Abaraham.

♦ Manohy ny atrik'asa momba ny fihaonambe ara-miaramila izay efa natomboka tamin'ny 26 janoary ny foloalindahy Malagasy. Hitohy anio ny fandravonana ny hevitra sy ny toromarika avy amin'ny tafika manerana an'i Madagasikara... ♦ Mitaky ny fitarihana haingana ny fikaonandoha hamaritana miaraka ny zotra sy fomba fiasa mandritra ny tetezamita (Satan'ny Tetezamita) ho an'ny fanavaozana ny firaisamonim-pirenena sy ireo vondrona, fikambanan'ny tanora maro... ♦ Niravona ny disadisa teo amin'ny mpitàna fomba sy ny taranak'Andriana Zanak'Ambohidratrimo taorian'ny fifandanminana ary tafajoro ny komity hanarina ny rova...

Raha diso amin'ny adidy ara-nofo ny olombelona dia diso eo anatrehan'Andriamanitra. Ny Kristiana dia olom-pirenen'ny tany sady olom-pirenen'ny Lanitra. Amin'ny alalan'ny fihetsika andavanandro no anehoana finoana. Ny eveka dia mitarika ny Eglizy ka adidiny, otronin'ireo pretrany ny hitory ny hevitr'i Krisy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

♦ Tsy nitovy hevitra androany ireo mpitàna fomba sy mpitan-kasina sy ny taranaka mpanjaka nandritra ny fivoriana momba ny famerenan-kasina sy ny fanarenana ny rovan'Ambohidratrimo. Niravona ihany anefa ny disadisa taorian'ny fifandaminana teo amin'izy ireo... ♦ Mitohy ny atrik'asa momba ny fihaonambe ara-miaramila izay efa natomboka tetsy amin'ny CCI Ivato tamin'ny 26 janoary ; nanomboka androany ny fandravonana ny hevitra... ♦ Manao antso maika ho an'ny tetezamita ifanarahana, mangarahara sy mampiaty ary ny fanavaozan-drafitra ny firaisamponim-pirenena sy ireo vondrona, fikambanan'ny tanora...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...