♦ Miisa 35 ireo olona hiatrika fitsarana adiheloka bevava anio, manoloana ny raharaha namonoana an'Itompokolahy Rakotoarisoa Henri, mpilatsaka antsitrapo sy mpanao fanairana momba ny tsindry mihatra amin'ny harena voajanahary any Ankazondandy... ♦ Nihaiky ny Pôlisim-pirenena fa ny nisy pôlisy voatonontonona ho isan'ny tompon'antoka tamin'ilay raharaha nahafatesana mpiraki-draharaha sy Inspecteur des impôts, teny Imerinkasinina... ♦ Manodidina ny 7 miliara Ariary ny fahavoazana vokatry ny kolikoly, hitan'ny Fitantanana Iraisam-paritry ny Bianco eto Antananarivo, tamin'ny taon-dasa...

18 nôvambra — Teraka ny taona 880 tao Maine i Odon. Andriana ny fianakaviany, ary nalefa tany Anjou sy Aquitaine izy mba hianatra momba ny tafiky ny mpitaingin-tsoavaly. Nanohy fianrana tany Paris izy, ka isan'ny nampianatra azy i Rémi, evekan'i Auxerre. Nandalina ny fitsipi-pitenenana sy ny fombam-pivavahana tao Tours ihany koa i Odon.

Tsy ampy hanarahana an'Andriamanitra ny fitandremana ny didiny, fa tsy maintsy mahafoy izay rehetra hananana koa isika hahavanona izay fanarahana azy izay. Satria ny lalam-baovao no  takin'ny Evanjely dia mazava ny lalana fa ny fiandahana amin'ny harena mandalo, izay tsy ahitàna fahasambarana afa-tsy eto an-tany ihany.  Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.

Zoma 18 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 45-48

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...