♦ Tsy honohono fa tena misy ny famarotana zaza araka ny fanamafisana nentin'ny solombavambahoakan'i Ikongo Razafitsiandraofa Jean Brunelle, androany maraina. Efa in-droa nifanojo tamin'ireo reny nivaro-janaka ny vadin'ity solombavambahoaka ity saingy nisy ny fandraisan'andraikitra nataony... ♦ Hitan'ny pôlisy tao amin'ny tanàna iray ilay zaza nisy nangalatra omaly tao amin'ny toeram-pitsaboana iray ao Toliara. Nisy ireo olona notanan'ny pôlisy avy hatrany tamin'ity raharaha ity... ♦ Mahatratra 70% hatramin'ny 80% ny fatiantoka ho an'ny trano mpanonta boky malagasy noho ny fisian'ny mpanao hosoka. Maro amin'ireo mpanoratra no kivy vokatra izany asa fisolokiana izany...

Mba hahatsara ny tontolon'ny fahasalamana amin'ny ankapobeny dia ilaina ny fanaovana fandinihantena amin'ny alalan'ny fananganana fafana fampitahana. Atao hita taratra ao anaty fafana ny tsara tokony ho tohizana, ny lesoka tokony harenina, ireo mampiahiahy (tsara/ratsy). Betsaka loatra ny pozina manimba ny fahasalam-bahoaka isan'izany ireo milaza ho mpitsabo anefa tsy nianatra mikasika ny fitsaboana sy ny fahasalamana, maro ihany koa ireo mivarotra fanafody na fitaovana entina hitsaboana anefa tsy nahazo alalana...

♦ Nanjavona teo am-pelan-tanan'ny mpitandro ny filaminana ny rongony 8 gony rehefa avy nalain'izy ireo tao amin'ny tokantrano iray ao Tanambao any Morondava. Nisy ireo nijoro vavolombelona tamin'ity tranga ity... ♦ Ahiana hikatso ny famatsiana entana samihafa satria mandrahona hitokona ireo mpitondra camion raha toa ka tsy misy ny fandraisana andraikitry ny mpitondra amin'ny lalam-pirenena faharoa, mialoha ny alahady izao... ♦ Manodidina ny 200.000Ha isan-taona ireo ala simba eto Madagasikara, hoy ny fikambanana Graine de vie... ♦ Any ivelany : Tafakatra 5.000.000 ireo zaza latsaky ny 5 taona maty tamin'ny taona 2021...

Ny antony mahatonga ny olona tsy hiroso amin'ny mariazy fa raha izay voafaritry ny Sakramenta dia ny olona rehetra miroso amin'ny fanambadiana ho an'ny mpino katôlika dia tokony handray ny sakramentan'ny mariazy avokoa, vao miray trano. Ny antony : misy avy amin'ireo mpivady mivantana, misy koa ireo avy amin'ny finoana, misy koa anefa tsy faharesen-dahatra tsotra izao. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...