Nataon'Andriamanitra ho tsara indrindra amin'izay rehetra nohariny isika olombelona. Aoka tsy hosimbaina na holotoina na horavana izay hatsarana ao amintsika izay, dia ho hitantsika fa hihatsara sy handroso ary hivelatra ny fiainantsika.

♦ Hampihatra ny fepetra araka ny lalana ny Minisiteran'ny Fitsarana, manoloana ny fitokonana ataon'ny Mpirakidraharaham-pitsarana. Hihafara amin'ny fahatapahan'ny karama izany, hoy ny Minisitra Rakotozafy François... ♦ Miandrandra olona mahay sy zatra amin'ny diplômasia, hitantana ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny, ny Sendikan'ny mpiasan'ny MAE. Manana olona mahafeno ny fepetra ho amin'izany ny sendika, araka ny nambaran'izy ireo... ♦ Manentana ny mpiompy hanoratra ny ombin'izy ireo ny Zandarimariam-pirenena. Anatin'ny fanisana ny omby ny eto Madagasiakara amin'izao...

20 ôktôbra — Niaina tamin'ny taonjato fahafito i Irène de Tomar na Irène du Portugal. Teraka tao Tomar tao Portugal izy ary kristianina mafana fo ny ray aman-dreniny. Nankinina tamin'ireo nenitoany, relijiozy, ny fanabeazana azy, dia i Julie sy i Chaste izany.

Ny kolontsaina sy fomba jody no netin'i Jesoa Kristy nampianatra sy nitory ny fanjakan'Andriamanitra, hany ka azon'izay nifanerasera taminy ny tiany hambara. Tsy nisekoseko hoe "izaho zanak'Andriamanitra" i Jesoa fa niaina ny fiainan'ny olombelona. Ilaina ny fameloma-maso ny faritra niaviana sy ny kolontsaina mba ho evanjely velona no sady mamelona. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...