Tsy fahampian'ny hery sy ny vitrika ara-batana na ara-tsaina no atao hoe havizanana. Tsy azo atao antsirambina ny havizanana. Tsy midika ho hakamoana ny havizanana ary tsy maintsy fantarina ny antony mahatonga azy raha vao misy olona mitaraina ho vizana. Mety mahazo ny sokajin-taona rehetra izy, mety mahazo ny vatana na ny saina ary mety ho miaraka vizana ireo.
♦ Mpandraharahan'ny fonja miisa 500 no navoaka tany amin'ny Sekolim-pirenena manofana ho mpandraharahan'ny fonja, na ny ENAP ao Tetezambato Toamasina. Mbola tsy ampy anefa ny isan'izy ireo eto Madagasikara amin'ny ankapobeny... ♦ Hakatona tanteraka amin'ny fomba ôfisialy, afaka iray volana, ny fankalazana ny faha-25 taonan'ny Tarika Ny Ainga. Fankalazana izay efa naharitra roa taona... ♦ Misongadina amin'izao faran'ny herinandro izao ny fandraisan'i Madagasikara anjara amin'ireo lalao ara-panatanjahan-tena eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena...
♦ Hanatanteraka fidinana an-dalambe, entina hanehoana firaisan-kina amin'ny Malama, na i Mahery Lanto Manandafy, ireo olona akaiky azy. Hisy ny dia an-tongotra miainga eny Ampefiloha, hiazo an'i Tsiadana, ho an'ny eto Antananarivo... ♦ Sakana lehibe amin'ny fanajana ny zon'ny olom-pirenena eo amin'ny habaka, ny tsy fisian'ny lalana mifehy izany, hoy ny ivom-pandalinana ny tontolon'ny serasera marolafy eto Madagasikara, na ny Ilontsera...
22 ôktôbra — Teraka ny 18 mey 1920 tao Wadowice tao Cracovie, Pologne i Karol Józef Wojtyła. Zanaka lahy faharoa an'i Emilia Kaczorowska sy i Karol Wojtyła izy. Ny 20 jolay 1920 no natao batemy i Karol Józef Wojtyła. Teo amin'ny fahasivy taonany izy no nandray ny Kômonio voalohany ary teo amin'ny fahafito ambin'ny folo taonany no nandray ny Fankaherezana.
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco