Alakamisy 6 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 5-13
♦ Nanakoako manerana ny nosy androany, ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Mpampianatra... ♦ Tsy ho vita ao anatin'ny telo volana ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy, hoy ny antoko SFDM. Nambaran'ny filohany fa fohy loatra ny fe-potoana hanoratana ny anaran'ny olona maherin'ny 14 tapitrisa ao anatin'ny lisi-pifidianana... ♦ Tsy hihemotra amin'ilay fitokonana fampikatsoana ny raharaham-pitsarana rahampitso, ny Sendikan'ny Mpiraki-draharaham-pitsarana eto Madagasikara. Mandrangaranga "recquisition", ety ankilany, ny minisitra mba hanohizan'izy ireo ny asany...
♦ Tsy mbola midina ny vidin-tsolika eto Madagasikara, na efa nahitana fihenany aza ny vidin-tsolika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena... ♦ Lasibatry ny afo ny 90% amin'ny faritra faémbolen-kazo ao Marohogo any amin'ny Faritra Boeny, Firehetana nitranga tamin'ny alahady teo ka nahamay, tao anatin'ny fotoana fohy an'ireo hazo novolena tamin'ny velaran-tany 160 Ha... ♦ Hampitombo ny voka-bary ho an'ny tantsaha eny Antananarivo-Atsimondrano ny fahavitan'ilay toho-drano lehibe eny Ampahitrosy. Afaka manondraka tanimbary maherin'ny 1.400 Ha eny Ampahitrosy sy ny kaominina manodidina...
♦ Tsy marina ny filazana fa marisarisa ny fiaraha-miasa eo amin'ny LaFrantsa sy Madagasikara. Mizotra tsara izany, araka ny fihaonana teo amin'ny masoivoho Frantsay vaovao eto amintsika sy ny ministry ny Fiarovam-pirenena, omaly... ♦ Vola 2,16 tapitrisa dôlara no homen'ny governemanta Britanika, hanohanana olona hatrany amin'ny 100.000 tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo, ka ny PAM no hitantana izany... ♦ Nomena lanja manokana ny ankizy "varira", anatin'ny dinika fanomanana ny fivoriana an-tampony faha-27 momba ny fiovan'ny toe-trandro na ny PRE-COP 27, izay atao any amin'i RDC. Any an-toerana ny ministry ny tontolo iainana...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco