♦ Hanomboka anio ny fivoriana ara-potoana faharoan'ireo Antenimeira mpanao lalana eto amintsika. Andrasana horesahana mandritra izany ireo fandikan-dalana nataon'ny Solombavam-bahoaka tato ho ato... ♦ Niodina nanomboka ny maraina teo ny milina vaovao fahefatra mpihary herinaratry ny Jirama, any Andekaleka. Nitombo ho 90 Megawatts amin'izao ny vaikan'aratra avoakan'ny toby famokarana any an-toerana... ♦ Lohan'olona maherin'ny folo no mbola tsy hita hatramin'izao any Belo-sur-Tsiribihina, tao aorian'ny fanapahan-doha misesisesy...

18 ôktôbra — Tamin'ny taonjato voalohany i Luc no niaina, Syrien izy ary teraka tao Antioche. Misy milaza fa mpanompo sampy i Luc, nefa ny tahirin-kevitra sasany milaza fa nanaraka ny fombam-pivavahana jody izy. Mpitsabo no asany, fa nana-talenta tamin'ny hoso-doko ihany koa.

Nanolotra ny tenany ho fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra i Masina Maria : ""inty aho ankizivavin'ny Tompo, hoy izy...". Ny fanekena ny sitrapon'Andriamanitra dia vokatry ny finoana. Evanjely velona ny fianakaviana satria samy manolo-tena ho fanantanterahana ny sitrapon'Andriamanitra. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Talata 18 ôktôbra 2022 — Masindahy Lioka, evanjelistra — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 1-9

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...