♦ Nanome toky androany, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, fa hanaraka akaiky ireo raharaha mafampana mahakasika ireo Solombavam-bahoaka, ny andrim-panjakana izay tantanany... ♦ Tsy manan-kery ireo raharaham-pitsarana tsy atrehana sy tsy soniavin'ny mpirakidraharam-pitsarana. Mbola mitohy ny fitokona, hoy ny Sendika androany... ♦ Lohan'olona folo no mbola tsy hita hatramin'izao any Belo Ambonin'i Tsiribihina. Miantso ireo tompon'andraikitra mahefa, ny Olobe avy any an-toerana...
♦ Pretra telo sy diakra iray no nohamasinina tao amin'ny Katedraly Masina Maria Vonjy Mahatoky tao amin'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy ny sabotsy 15 ôktôbra 2022... ♦ Notsofin-drano ny alahady 16 ôktôbra 2022 ny toerana hanorenana ny fiangonana vaovao ao Antanimalandy, Diosezin'i Mahajanga... ♦ Nohalavain'ny Papa François hatramin'ny ôktôbra 2024 ny Sinaodin'ny Eveka momba ny Eglizy miara-dia...
Tanterahana miaraka any Lusaka (Zambie) nanomboka androany alatsinainy 17 ôktôbra ary hifarana ny zoma 21 ôktôbra, ny fihaonan’ny Vaomieran’ny Fifandraisan'ny mpiara-belona sy ny Vaomieran’ny Fiofanana eo anivon’ny Fikambanana Salezian’i Don Bosco aty amin’ny Faritra Afrika sy Madagasikarara.
♦ Niteraka resa-be ilay fanapahan-kevitr'i Madagasikara nisafidy ho nanameloka an'i Rosia tamin'ny latsa-bato teo anivon'ny Firenena Mikambana. Maro ireo gazety nilaza fa tsy nakàna ny hevitry ny filoham-pirenena ny safidy natao tany... ♦ Namoaka fanambaràna ny antoko TIM momba ny fahitàny ny fizotry ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy tamin'ity volana ity. Miahiahy ilay "jugement supplétif" ny antoko satria tsy ampy ny fanamarinana, ka misy ireo hahazo kara-panondro maromaro... ♦ Mitaraina ireo sekoly tsy miankina fa hanimba ny fanabeazana ny zaza Malagasy ny fisian'ireo "Cours" fakàna fanadinana mialohan'ny fotoana. Mahatsapa fitsoahan'ny mpianatra an-daharana izy ireo...
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco