♦ Nahatratra 140 ireo tebok'afo, ahitàna doro-tanety eto Madagasikara. Firehetana maromaro hafa indray no hita omaly, toy ny faritra arovana any Ivohibe sy Ambohitantely Ankazobe... ♦ Mbola hanohy ny fitokonany, hampikatso ny raharaham-pitsaràna ny sendikan'ny mpiraki-draharaha. Tsy nahavaha olana ny dinika nataon'ireo mpitarika tamin'ny Fiadidiana ny Repoblika... ♦ Nandraisana andraikitra ny fisiana biby maromaro matin'ny trangan'aretina Raboka tao amin'ny valan-javaboaharin'i Tsimbazaza. Arahi-maso avokoa ireo biby ao an-toerana amin'izao...

12 ôktôbra — Marihana ety am-piandohana aloha fa ny datin'ny 02 ôktôbra no nahafatesan'i mompera Jan Beyzym, izany hoe io no daty nahaterahany any an-danitra. Ny datin'ny 02 ôktôbra moa efa lasa, fa misy ihany koa ireo tetiandro izay milaza fa ny 12 ôktôbra no ahatsiarovana azy, eo ireo milaza fa ny 18 aogositra.

Ny tsy fananana fahaleovantena eo anatrehan'ny ray aman-dreny dia mitarika fiankinandoha izany hoe tsy zatra mandray andraikitra sy mitrosa matetika. Mila mihezaka mampivelatra ny sehatra fiariana izay hanorina tokan-trano. Ny olana dia mila hatrehina satria ny olana dia natao ho vahana fa tsy handosirana. Iainana ilay teny nifanomezana : "na inona hidona na inona hiatra..." Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Alarobia 12 ôktôbra 2022 — Jan Beyzym, Olontsambatra — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...