Ireto avy ny hatsaram-panahy ilaina amin'ny tsirairay ao amin'ny fianakaviana mba hahafahana mifampiresaka : fahatsorana, mahitsy fo, tsara sitrapo, tia, mahazo ny hafa, mahay mihaino, mahay mangina, mahay mihaiky fa diso ary mahay mamela ny hadisoan'ny hafa. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
Alakamisy 6 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 5-13
♦ Nanakoako manerana ny nosy androany, ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Mpampianatra... ♦ Tsy ho vita ao anatin'ny telo volana ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy, hoy ny antoko SFDM. Nambaran'ny filohany fa fohy loatra ny fe-potoana hanoratana ny anaran'ny olona maherin'ny 14 tapitrisa ao anatin'ny lisi-pifidianana... ♦ Tsy hihemotra amin'ilay fitokonana fampikatsoana ny raharaham-pitsarana rahampitso, ny Sendikan'ny Mpiraki-draharaham-pitsarana eto Madagasikara. Mandrangaranga "recquisition", ety ankilany, ny minisitra mba hanohizan'izy ireo ny asany...
♦ Tsy mbola midina ny vidin-tsolika eto Madagasikara, na efa nahitana fihenany aza ny vidin-tsolika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena... ♦ Lasibatry ny afo ny 90% amin'ny faritra faémbolen-kazo ao Marohogo any amin'ny Faritra Boeny, Firehetana nitranga tamin'ny alahady teo ka nahamay, tao anatin'ny fotoana fohy an'ireo hazo novolena tamin'ny velaran-tany 160 Ha... ♦ Hampitombo ny voka-bary ho an'ny tantsaha eny Antananarivo-Atsimondrano ny fahavitan'ilay toho-drano lehibe eny Ampahitrosy. Afaka manondraka tanimbary maherin'ny 1.400 Ha eny Ampahitrosy sy ny kaominina manodidina...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco