Nahoana no mila mitandrina ny ray aman-dreny amin'ny fiatraikan'ny finday na fahitalavitra amin'ny zaza madinika?. Manoloana ny fanatontoloana sy ny vanim-potoanan'ny teknolojia vaovao dia maro ny ankizy mampiasa finday aloha loatra, sy matetika mijery fahitalavitra maharitra. Ny anton'izany dia noho ny fisarihan'ny namana sy noho ny fahasahiranan'ny ray aman-dreny. Ny vokatr'izany dia tsy ampy ny fotoana hifandraisan'ny ankohonana, eo koa ny ara-pahasalaman'ny saina sy ny fiankinan-doha...
♦ Nanambara ny fahavononany haka fahefana amin'ny alalan'ny fifidianana mangarahara ny antoko Hery Vaovao ho an'i Madagasikara. Mbola mametraka fepetra momba ny fahaleovan-tenan'ny CENI anefa ny HVM... ♦ Mitombo hatrany ireo mijoro mitaky ny fialan'ny Governoran'ny Faritra Bongolava. Mitarika fampisaraham-bazana ny zava-misy any an-toerana, ary taraiky ny fampandrosoana... ♦ Andrasana anio ny mety hisian'ny fihaonana eo amin'ny Sendikan'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, izay manao fitokonana, sy ny Minisitra mpiahy...
23 septambra — Teraka ny 25 mey 1887 tao Pietrelcina faritanin’i Bénévent Campanie ao Italie i Francesco Forgione. Orazio Forgione sy Giuseppa Di Nunzio no ray aman-dreniny, tantsaha izy ireo. Ny ampitson’ny nahaterahany i Francesco dia efa vita batemy tao Sainte Marie des Anges izy, tao Pietrelcina.
Mahay manaja ny tenany sy hajain'ny hafa ny vehivavy rehefa hita sy tsapan'ny olona eny aminy ny maha-olom-banona nandray fanabeazana azy. Mila tena mianatra ny vehivavy mba tsy ho lasa fitaovam-pahafinaretana sy fitaovam-piterahana fotsiny. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco