♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny JMJ Mada X, ny Faritra Vakinankaratra. Androany alakamisy ny no napetraka ny lapihazo sy ny "chapiteau" lehibe handraisana ny hetsika, hoy ny Governora any an-toerana... ♦ Ahiana hiverina indray ny kere any amin'ny faritra atsimo, raha tsy mahazo rotsak'orana ato anatin'ny enim-bolana farafahatarany. Nanazava momba ny ady amin'ny hanoanana any an-toerana, ny Governoran'Androy androany... ♦ Mbola tsy misy fandraisana andraikity Governemanta hatramin'izao, momba ny lalaon'ny nosy hotanterahana eto amintsika...
♦ Tanterahana ao Moramanga mandritra ny 5 andro ny atrik'asan'ny Filan-kevitra Nasiônaly ho an'ny Fanabeazana Katôlika. Manana solontena avokoa ny diôsezy manerana ny nosy. Atrik'asa andinihana ny fiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2022-2023... ♦ Hanomboka ny voalohan'ny volana septambra ho avy izao ny fikarakarana fanoratam-pahaterahana faobe ho an'ireo olom-pirenena tsy afaka nisitraka izany sy ny fanomezana kara-panondrom-pirenena ho an'ny feno 18 taona. Miisa 3 tapitrisa ny olom-pirenena hisitraka izany... ♦ Nanolo-kevitra ny handrafetana ny pôlitikan'ny harena ankibon'ny tany mialohan'ny hanaovana ny lalàna mifehy izany ny firaisamonim-pirenena...
♦ Tsy maintsy manaja ireo fepetra napetraka hisorohana ny loza mety hitranga eny an-dalana ireo fiara hitatitra ny mpizaika amin'ny JMJ Mada-X hatao any Antsirabe ny 31 Aogositra hatramin'ny 04 septambra. Nivory nandinika ny momba izany ny mpikarakara ny JMJ sy ny teo anivon'ny ministeran'ny fitanterana omaly... ♦ Noraisin'ny filoham-pirenena teny Iavoloha omaly ny Ankoay ekipam-pirenena lahy sy vavy ho an'ny BasketBall latsaky ny 18 taona nandray anjara tamin'ny Afrobasket. Hanampy ny mpanao fanatanjahan-tena ny fanjakàna hoy Andriamatoa Andry Rajoelina... ♦ Tsy ahomby hoy ny antoko otrik'afo ny dingana ataon'ny fitondrana momba ny fitakiana ireo nosy Malagasy bodoin'i Lafrantsa...
25 aogositra — Teraka ny taona 1215 i Louis, natao batemy tao Poissy izy ary tsy maty tao am-pony izany finoana izany ka nahatonga azy hitonona hoe Louis de Poissy rehefa manao sonia na dia amin’ny fiainany andavanandro aza.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco