Misy ireo mivavaka manao toy ny toetrana nifi-tsofa, teh hivavaka dia mivavaka ; tsy te hivavaka dia milentika any indray aloha. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

Alarobia 9 nôvambra 2022 — Ny nitokanana ny Bazilika ao Latran — Izay rehetra mangataka ao an-tranoko dia mahazo, hoy ny Tompo; izay mitady dia mahita, ary izay mandondòna dia hovohaina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 13-22

♦ Hatahorana hihamafy ny fahasahiranana sy ny fahantrana mianjady amin'ny Malagasy, hoy ny  Firaisan-kinan'ny mpikambanan'ny Filankevitra Ambonin'ny Tetezamita teo aloha. Tokony apetraka eto Madagasikara ny hamehana ara-toekarena... ♦ Hampiantrano ny fivorian'ny Filohan'ny Antenimeiram-pirenena aty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, rahampitso, ny Antenimieram-pirenena Malagasy. Nosy miisa dimy no handray anjara... ♦ Tsy takatry ny sarambabem-bahoaka ny asa tanana vita amin'ny landy. Mahatratra 3 hatramin'ny 4 hetsy Ariary ny 1 kg amin'ny kofehin-dandy ankehitriny...

♦ Ilaina ny hisian'ny fikaonandoham-pirenena mba hisorohana ny savorovoro aorian'ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny antoko Leader Fanilo. Mbola eo am-pandinihana ny toerana hisy ny antoko amin'ny fifidianana ho avy ity antoko ity amin'izao... ♦ Haodina ho lasa entona sy zezika ny fakon'Antananarivo hatoby eny Andralanitra. Hatsangana ny orinasa hanodina izany, ka andaniam-boa 5 tapitrisa Euro, vokatry ny fiaraha-miasa amin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra... ♦ Voafidy fanintelony ho filohan'ny federasiôna malagasin'ny baolina lavalava Anddriamatoa Rakotomalala Marcel. Tontosa ny maraina teo tany Toliara ny fifidianana, ka ligy miisa  4 amin'ireo 4 izay tonga nifidy no nandany azy...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...