Ny fizaran-taona dia miatomboka amin'ny lohataona ary miafara amin'ny ririnina, misy fizarana efatra. Samy manana ny anjara asany ny lahy sy ny vavy amin'ny fikarakarana ny vary ; ohatra fady ho an'ny vehivavy indrindra ny bevohoka ny mamoaka vary avy ao an-tsopitra na lava-bary fa midika hoe manala zaza izany. Misy fomba fandrahoam-bary telo eto madagasikara : vary ampango na vary maina, vary sosoa na sabeda, vary fao na vary mifangaro ananana na ovy na zavatra hafa. Ny vary sosoa no tena entin'ny ntaolo nifampizarana noho ny hafaliana mba ho sosoa manantena, hitohizan'ny soa sy ny tsara. Samy hafa ny ranon'ampango sy ny rano-vola, ity farany dia tsy fahita any an-trano fa eny an-tsaha...
♦ Efa tsy ao amin'ny vovonana manohana ny fitondrana intsony ny antoko MMM. Nilaza ho resy lahatra ny amin'ny tokony hirosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena ihany koa ny Malagasy Miara-Miainga, araka ny nambaran'ny filoha nasiônaly... ♦ Voatonontonona amin'ny raharaha fakàna an-keriny tanin'olona eny Faravohitra ny Governoran'Analamanga. Nitondra fanazavana sy fitarainana ilay olon-tsotra iharan'izany... ♦ Manome 72 ora ny Ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ity Ministera ity. Fe-potoana hikaroham-bahaolana momba ny fitakiana tambin-karama, sy fanavakavahana ataon'ireo tale jeneraly sasany...
13 septambra — Teraka tao Antioche i Jean Chrysotome, Jean moa no fiantsoana azy. Mpianatr’i Mélèce tao Antioche izy ary io no nanao batemy azy teo amin’ny faha-24 taonany araka ny fomba tamin’izany fotoana izany. Avy eo izy nobezazin’ni Diodore tao Tarse, mpanorina sekoly tao Antioche io Diodore io. Io ihany koa no nanome azy ny fitiavana ny fikarohana ny tantara eo amin’ny fandalinana ny Soratra Masina.
Manana ny anjara toerany ny ray ao an-tokantrano. Ny lahikely raha vao teraka dia efa voalahatra ho raim-pianakaviana avokoa. Natao hitondra sy hiatrika ary hanapa-kevitra izy ; hany ka mahatsinjo lavitra eo amin'ny fiainana sy mahita ny ankapoben-javatra hatrany. Matanjaka sy natao hiharitra zavatra maro ny vatany ka hita fa lalao maherihery setra kokoa no tiany. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco