Talata 1 nôvambra 2022 — Ireo Olomasina rehetra — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 1-12a

♦ Feno 31 taona androany ilay fifanarahana ara-pôlitika nalaza teto Madagasikara, dia ny Fifanarahan'ny 31 ôktôbra, namahana tao anatin'ny roa andro monja, ny krizy pôlitika teo amin'ny Herivelona Rasalama sy ny fitondran'ny Amiraly Didier Ratsiraka... ♦ Folo taona aty aoriana vao misy mangirana ny fitarainan'ireo mpianatra tany Chine, momba ny vatsim-pianarana tsy voaloa, maherin'ny 22 miliara Ariary. Any amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana ara-tsiansa, ny taratasy fitadiavana vahaolana handoavana ny trosan'ireo mpianatra ireo...

♦ Nifarana ny 28 ôktôbra teo ny Visite ad limina, izay notanterahan'ireo Evekan'i Madagasikara tany Rôma... ♦ Hamasinina ho Eveka rahampitso, ny Nonce Apostolique vaovao izay voatendry hiasa eto Madagasikara, ka any Poznań, any Pologne no hanatanterahana izany... ♦ Efa manomboka ny fisoratana anarana, ho an'ireo izay hiatrika ny JMJ any Lisbone, amin'ny taona 2023...

♦ Tsy ampy ny fe-potoana efatra taona izay hitantanan'ny Ben'ny Tanàna ny Kaominina ka misy ireo Ben'ny Tanàna izay manaitra ny tompon'andraikitra hijery ny mety hanitarana izany... ♦ Miditra amin'ny fiatoana kely ny ankamaroan'ireo sekoly amin'ity herinandro ity. Misy koa anefa ireo hiverina hianatra aorian'ny faha-2 ny volana Novambra... ♦ Hapetraka tsy ho ela ny vato fototra amin'ny fanamboarana ny lalambe mikodàna mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina... ♦ Maro ireo mpitondra fanjakàna vahiny izay efa niarahaba ny Filoha Breziliana, Lula da Silva amin'izao nahalany azy ho Filoha vaovao izao...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...