♦ Hotanterahina amin'ny alakamisy izao, amin'ny 1ora sy sasany tolakandro, ao amin'ny katedraly Notre-dame de la Salette Antsirabe, ny Lamesa fisaorana an'Andriamanitra sy fandevenana an'i Mgr Philippe Ranaivomanana... ♦ Didim-pitsarana hosoka telo indray no tratra teo anivon'ny fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo tamin'ity herinandro ity. Niakatra fitsaràna omaly ny olona iray... ♦ Hanampy ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana, amin'ny handavorariana ny fifidianana eto amintsika ny sehatra ara-pifidianana ho an'ny demokrasia maharitra aty Afrika na ny EISA, ka niara-nanao sonia ny roa tonta omaly...
07 septambra — Teraka tao Autun tao France i Reine. Teo amin’ny fahenina ambin’ny folo taonany izy no no nibebaka ho kristianina izany hoe tamin’ny taona 252. Niandry ondry teo amin’ny tendrombohitr’i Auxois izy no saika ho viravirain’ny governora romanina tao Gaule, Olibrius na Olimbrius, nefa nanohitra i Reine ary nandà ny fanambadiana mba tsy hanimbazimban’io ny finoany.
Ny olombelona sasany dia tsy te hanaiky izay nanamboaran'ny nahary tany an-kibondreniny azy. Raha lahy no nahariana azy dia te ho vavy izy ; raha vavy dia te ho lahy. Ireny no lazain'ny olona hoe "gender" na "théorie du genre", miralenta. Tsy vitan'ny filàna na tombontsoa fotsiny izany fa tena fitaka no hiainana amin'izay nanamboaran'Andriamanitra ny olombelona. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Alarobia 7 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 20-26
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco