♦ Tanora manodidina ny 28590 no niatrika ny JMJ Mada X, izay nanomboka ny 30 aogositra hatramin'ny 4 septambra 2022. Nanafatra azy ireo ny Fivondronamben'ny Eveka, mba ho sahy hijoro hiaro ny tontolo iainana ary ho sahy haneho marina tokoa ny hatanorana... ♦ Entanin'ny Papa François isika, amin'izao volana septambra izao, hivavaka mba ho foana ao anatin'ny lalan'ny firenena rehetra maneran-tany ny fanamelohana hofaty...
♦ Miantso ny tanora hiaro ny vatana izay tempolin'Andriamanitra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny hafatra nataon'izy ireo ho an'ny tanora. Tsy tokony avadika ho fasana noho ny fanalan-jaza ny vatana hoy ny Eveka. Nifarana omaly ny JMJ Mada-x... ♦ Nanomboka androany ny taom-pianarana 2022-2023 eto Madagasikara. Mizara dimy ny taom-pianarana, elanelan'ny fotoana fialan-tsasatra... ♦ Azo nosorohana tsara ny savorovoro niafara tamin'ny tifitra nahafatesana olona maro tao Ikongo, hoy ny Printsy avy any an-toerana, sady mpanorina ny fikambanan'ny Zanak'Antanala eto Antananarivo, Andriamatoa Zama Johanesa...
♦ Nifarana omaly ny andro eran-tany ho an'ny tanora na ny JMJ Mada andiany faha-10 notanterahana tao Antsirabe... Any amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina indray ny JMJ manaraka amin'ny taona 2026... ♦ Velom-panantenana amin'ny ho avy ny Eglizy hoy ny Eveka malagasy mahita tanora votom-pinoana, saha maneho amin'ny fomba mendrika ny maha vavolombelon'i Kristy ao anatin'ny hatanorana. Miantso ny tanora handray andraikitra amin'ny fiaraha-monina ny fivondronamben'ny Eveka... ♦ Valan'aretina Covid-19, nahitàna tranga vaovao miisa 14 ny fitiliana natao nandritra ny herinandro farany. Eto amin'ny Faritra Analamanga avokoa ny 12 amin'ireo. Tsy nisy ny lavon'ny aretina...
05 septambra — Zanaky ny mpisoron’ny Tamieh tao Fayoum, tany amin’ny sisin-tanin’i Lybie i Raïssa. Roapolo taona izy tamin’ny fotoana nanjakan’i Dioclétien. Resy lahatra io amperora sy ny mpiara-miasa aminy fa hamotika ny fivavahana kristianina.
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco