Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana rehefa tena tia ka tsy mitady ny tombontsoany manokana fa mikaroka ny ahasoa ny ankohonany. Ny fifankatiavan'ny mpianakavy no mampisy firaisan-kina sy tena mamelona ny fiainana. Mila mandalina ny atao hoe "tena fitiavana" ny raim-pianakaviana mba ahafoana ny fanjakan-dehilahy sy ny tsy refesi-mandidy. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Sabotsy 22 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 1-9

♦ Nodinihana nandritra ny atrikasa notanterahana teny Ambodivona ny fomba mahomby hampiharana ny pôlitikam-pirenena hampivoarana ny laboratoire fanaovana fitsirihana ny aretina samihafa eto amintsika... ♦ Lasan'ny mpianatra ao amin'ny "Club Stem Lycée Andohalo" ny laharana voalohany tamin'ny fifaninana drafitr'asa mendrika indrindra taona 2021, nokarakarain'ny Tetikasa Stem, vatsian'ny Unesco vola... ♦ Sakana amin'ny fanajana ny zon'olombelona sy ny fahafahana ny tsy fahampian'ny lalana momba ny fampiasana ny habaka, hoy ny ilontsera...

♦ Efa tonga any Roma ireo Evekan'i Madagasikara hanatanteraka ny Visite ad limina amin'ny herinandro ho avy io... ♦ Nosokafana tamin'ny Eokaristia Masina, fiantsoana ny Fanahy Masina ny alakamisy 20 ôktôbra 2022, ny taom-piofanana ho an'ny Seminera Zokiny Paul VI ao Antsiranana... ♦ Ilaina ny fandanjalanjana ny tantaram-piainana, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 19 ôktôbra 2022...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...