♦ Napetraka omaly tany Toamasina, ny vato fototry ny Hôpitaly katôlika eto Madagasikara. Notokanana ihany koa  ny grand séminaire filôzôfia Md François de Salle Analamalotra... ♦ Miantso ny malagasy feno taon tsy very zo ny filohan'ny CENI mba hampiantrano ireo mpanisa mpifidy, ampahalavorary ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana eto Madagasikara... ♦ Marihina anio alatsinainy 3 ôktôbra 2022 ny andro maneran-tany ho an'ny toeram-ponenana... ♦ Tany indonezia, farafahakeliny olona 125 isa no namoy ny ainy, vokatry ny hetsika savorovorom-bahoaka, nandritra ny lalao baolina kitra natao tamin'ny sabotsy hariva...

03 ôktôbra — Teraka ny taona 890 tao Stave, tanana kely tao Florennes i Gérard. Sancius no rainy, izay avy amin'ny fianakavian'ny duc d'Austrasie. Avy amin'ny reniny indray izy dia nanana dadatoa an'i Etienne, eveka tao Liège. Nanan-tany tao Brogne ireo ray aman-drenin'i Gérard ireo. 

Sarobidy sy masina ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny fianakaviana iray, satria mamaha olana maro eo amin'ny mpivady ary miteraka fiombonana eo amin'ny zanaka sy ny ray aman-dreny. "Mpifankatia tsy miresaha hono very ny androatokom-pitiavana". Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.

Alatsinainy 3 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 25-37

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...