♦ Natolotry ny Minisitra Edgard Razafindravahy an-tanana ampahibemaso, ho an'ireo mpandraharaha 70 tany Antalaha, ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hanondrana lavanila... ♦ Handefa taratasy any amin'ny Masoivoho Britanika, hangataka ny hanokafana fanadihadiana momba ilay vola 25 tapitrisa doalara, nanaovan'ny Tale Jeneralin'ny APMF fifanarahana momba ny AIS, niaraka tamin'ny orinasa britanika iray, ny sendikan'ny mpiasan'ny APMF... ♦ Niakatra ho 160 tapitrisa ny ankizy efa miasa eran-tany tamin'ny taona 2020, araka ny fanadihadiana nataon'ny UNICEF sy ny OIT. Aty Afrika ny ankamaroany...

♦ Hanana karatra famantarana manokana ireo mpisehatra ao amin'ny Vaomieran'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona eto Madagasikara, mandritra ny JMJ Mada X... ♦ Ho marihana ny 28 aogositra 2022 ny andron'ny Diôsezy eto Antananarivo... ♦ Mitombo ny fahantrana ao Dublin, Irlande, hoy i Fr. Kevin Crowley...

Kavin'omby maherin'ny 14000 no hapetraka amin'ny omby ao amin'ny Distrikan'Amboasary Atsimo sy Taolagnaro, mialohan'ny faran'ity taona ity. Ny 6700 amin'ireo no ho an'ny Distrikan'i Taolagnaro raha toa ka 7900 kosa ho an'Amboasary Atsimo. Mbola mila entanina hatrany anefa ny tantsaha ahafahana manatratra ny tanjona.

♦ Efa niharan'ny sakan-dalana nataon'ny dahalo tao antampon'Ihorombe ireo mpizaika avy any Ambovombe Androy, nialohan'ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tany Ikelivaho... ♦ Miverina indray ny tsy fandriampahalemana any amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambatoboeny. Nisy hatrany ny fanafihana isan-kalina tao anatin'ny herinandro... ♦ Ny fanovana ny lalana mifehy ny antoko pôlitika sy ny fanaovana pôlitika ihany no ahafahana misoroka ny krizy ateraky ny fifidianana, hoy ny Solombavam-bahoaka teo aloha, ny Dr. Andriambololona Barson Claude...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...