♦ Miakatra tsikelikely indray ny tahan'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Covid19. Avo roa heny avy hatrany noho ny herinandro teo aloha ny tranga vaovao tamin'ny herinandro lasa... ♦ Nampanantsoin'ny eny anivon'ny Bianco hanaovana fanadihadiana anio alatsinainy Andriamatoa Rivo Rakotovao, filohan'ny antenimieran-doholona teo aloha, sady mpandrindra nasionalin'ny antoko HVM... ♦ Efa somary milamindamina ny any amin'ny Faritra Betsiboka ankehitriny, raha nirongatra ny asan-dahalo sy ny fakana an-keriny teo aloha teo... ♦ Any Kénya, vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro dia ny hain-tany misy any an-toerana, anarivony ireo ankizy ahiana tsy afaka hianatra intsony, fa voatery miala an-daharana...

Ny tsy fahampian'ny fihainoana izay matetika iainantsika amin'ny fiainana andavanandro, dia indrisy fa lasa iainan'ny sarambabem-bahoaka ihany koa ka toy izay hifampihaino dia indro isika lasa "miteny ao an-damosin'ny hafa". Maneho io fa aleontsika mitady marimaritra iraisana, toy izay hitady ny marina sy ny tsara ; aleontsika mifantoka amin'ny firesahana toy izay mihaino. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alatsinainy 13 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 38-42

Misy fampiasana ny fandrenesana mifanohitra amin'ny tokony ho asany : mihaino an-katakonana. Misy fakam-panahy hita eny rehetra eny vohizin'izao vanim-potoanan'ny Web-Social izao izay tsapa ho mihamafy hatrany, tsy inona izany fa ny mihaino sy mitsikilo, manao ny hafa ho toy ny fitaovana hanatrarana ny tombontsoantsika manokana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...