♦ Efa vonona eo amin'ny 90% ny fandraisana ny JMJ Mada X, izay hotanterahana any amin'ny Faritra Vakinankaratra... ♦ Miantso ny fitondram-panjakana handray andraikitra amin'ny fanomanana ireo atleta malagasy hiatrika ny Lalaon'ny Nosy hatao eto Madagasikara amin'ny taona ho avy, ny Filohan'ny Komity Olimpika Malagasy... ♦ Raim-pianakaviana iray 55 taona sy ny zanany telo lahy no nahavita nanolana zazavavy 14 taona, tany Ambilobe, araka ny tatitry ny Polism-pirenena...

26 aogositra — I Zefferino Namuncura dia teraka tamin’ny 26 aogositra 1896 tao Chimpai. Zanak’i Manuel Namuncura izy, fanta-daza tamin’ny tamin’ny fokon’ireo Mapuche izany rainy izany, any amin’ny faritr’i Río Colorado.

Tsy misy teraka tonga dia Mpandraharaha-Masina fa ny tontolom-pivoaran'ny fiainana no mahatonga ny olona iray ho amin'izany lalana izany. Ny tontolo mamolavola ny fiantsoan'Andriamanitra dia ny fianankaviana, ny fiaraha-monina, ary ny ankohonam-piangonana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Zoma 26 aogositra 2022 — Herinandro faha iraika amby roapolo mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 1-13

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...