Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe: "Efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: ‘Aza mianiana tsy tò, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.’ Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy; na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy; na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny mpanjaka lehibe izy; na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao. Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy."
Ny vondrona rehetra eo amin'ny antanantohatra ambony dia tsy maitnsy mivonona hitondra fanampiana "Subsidium", ho fanohanana, na ho fampandrosoana na ho fampivelarana an'ireo vondrona amin'ny antanantohatra ambaniny kokoa. Tsy tokony ho salovanina mihitsy ny finiavana, ny fahafahana, ary ny andraikitra. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Talata 24 mey 2022 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 5b-11
♦ Misy Fakiolte iray tsy manaraka ny fitokonana fanairana nambaran'ny SECES Sampana Antananarivo. Nifarana androany ny hateloana nanaovana izany ka hitohy amin'ny fihaonana amin'ny minisitera mpiahy indray ny hetsika, rahampitso... ♦ Notsipahanan'ny fikambanan'ny mpivarotra ao Antananarivo Renivohitra ny hitakian'ny orinasa SMDG haba amin'ny tsena ao an-drenivohitra... ♦ Rava maina ny andro voalohany tamin'ny tsenan'ny lavanila maitso tany Nosy Be. Hentitra kosa ny Governoran'ny Faritra Diana, nilaza fa tsy maintsy hajaina ny vidin'ny lavanila farany ambany 75.000 Ariary...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco