♦ Fanamby lehibe ho an'ny Diôsezin'i Moramanga ny fanatonana ny vahoaka amin'ny fanatanterahana ny Sinaody... ♦ Notsofin-drano tamin'ny sabotsy 21 mey 2022 ny "podium" ao Soavimbahoaka, ho fahatsiarovana an'i Fr. Raphaël-Louis Rafiringa... ♦ Marihana ny 22  hatramin'ny 29 mey 2022 ny fahafito taonan'ny Ansiklika "Laudato Si'", nosoratan'ny Papa François...

♦ Miverina tsikelikely ny sidina ho an'ny zotra anatiny sy iraisam-pirenena ho an'i Madagasikara taorian'ny fotoana nisokafan'ny sisin-tany... ♦ Hoampiasaina amin'ny fandoavana ny vola fisotroan-dronono sy ny karaman'ny mpiasam-panjakana ny karatra e-poketra. Ny mpiasan'ny paositra Malagasy no hisantatra izany ny volana jona izao... ♦ Nandalovan'ny andiam-balala ny tao Mahajanga ny faran'ny herinandro teo. Tsy nisy nefa ny voly simba noho ny fandraisan'andraikitry ny tantsaha niaro ny famboleny...  ♦ Nandray ny andraikitra maha praiministra vaovao azy any Autralia androany Andriamatoa Anthony Albanese. Nihazo avy hatrany an'i Japon izy taorian'ny lanonana fihanianana nataony...

♦ Hatomboka amin'ny faran'ny volana jona na ny fiandohan'ny volana jolay izao ny asa fanamboarana ny RN13 mampitohy an'i Taolagnaro sy Ambovombe-Androy. Hatao tara ihany koa ny ampahan-dalana manomboka eo Ihosy amin'iny lalam-pirenena iny, hoy ny filoham-pirenena... ♦ Ny eto amin'ny Faritra Analamanga no mbola ahitàna tranga vaovao maro indrindra mitondra ny tsimok'aretina Covid19 amin'ireo Faritra dimy ahitana izany. Miisa 38 ny tranga vaovao voatily tao anatin'ny herinandro... ♦ Manahy amin'ny mety hitotonganan'ny vidin'ny lavanila ny tantsaha mpamokatra ao amin'ny distrika Antalaha. Tsy sahin'ireo mpanangom-bokatra ny mividy ny vokatr'izy ireo amin'ny vidiny 75.000Ariary...

Efa hatrany amin'ny "Rerum Novarom" no nahitana ny fanampiana "tsy misalovana anadraikitra". Ity farany dia isan'ireo sori-dalana nifikirana izay nampiavaka ny fampianaran'ny Eglizy momba ny fiaraha-monina. Apetraka amin'ny toerany ny olona na vondrona tsirairay ary ankinina aminy hatrany ny zara asany. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...