♦ Tsy miankina amin'ny krizy ny firosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena, ary mihatery ny fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara, hoy ny firaisamonim-pirenena Rohy, raha nanao tombana ny zava-misy eto amin'ny firenena... ♦ Tsy tokony hokorontanina sy hosimbaina noho ny tombontsoa pôlitika sy ny fitiavan-tena ny sehatry ny lavanila eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... ♦ Handray fepetra amin'ny fanaraha-maso ireo seranam-piaramanidina sy ireo toeram-pitsaboana ny fitondram-panjakana, hitiliana ny "Variole du singe"...

12 aogositra — Teraka ny 23 janoary 1572 tao Dijon i Jeanne Françoise. Filohan’ny parlemanta tao Bourgogne ny rainy. Teo amin’ny faha-18 taonany izy no maty ny reniny, ka i Bénigne Frémyot, rainy no nanabe azy.

Nampanantena ny zavatra rehetra ho fanampiny ho an'izay tsy mikatsaka afa-tsy ny fanjakàn'Andriamanitra sy ny fahamarinany i Jesoa. Manamafy orina ny finoana ny teny fampanantenana ary mahatoky ilay nampanantena. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

Zoma 12 aogositra 2022 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 3-12

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...