Tao Getsemania sy teo ambony hazofijaliana no niharihary sy tonga lafatra ny vavak'i Jesoa dia ilay ady sy tolona nataony : nanoloana ny fanoherana ny fakam-panahy, ny fanekena ny sitrapon'ny Ray, ny fihaonany tanteraka amin'ny Ray. Nitolona i Jesoa na osa aza ny nofony, nivavaka tsy nitsahatra i Jesoa ary nandresy, natoky an'Andriamanitra i Jesoa... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

21 febroary 2025 — Zoma, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 34-39)

• Nilaza ho tsy mahafantatra mazava ny antony nanagiazana ny foiben'ny antoko HVM eny Andraharo, Andriamatoa Alain Désiré, Sekretera jeneralin'ny antoko... • Manamafy ny fahaiza-manaony amin'ny fandrindrana ny ady atao amin'ireo loza ara-tontolo iainana i Madagasikara. Nifarana androany teny Ankorondrano rehefa naharitra efarana ny fiofanana IMS 300... • Miandry fatratra ny fihaonana iarahana amin'ny Ben'ny Tanana vaovao, Harilala Ramanantsoa, ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra na ny SMKAR...

  • Isan'ny lasibatry ny tondra-drano vokatry ny rotsak'orana teto an-drenivohitra ny teny Ankorondrano sy ny manodidina. Nitondra fanampiana ho azy ireo ny Solombavambahoaka voafidy Gasikara Fenosoa...
  • Homarihana any Mahajanga Faritr'i Boeny ny 4 hatramin'ny 8 marsa ho avy izao ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy...
  • Nahatontosa ny fambolen-kazo iraisana ny tao amin'ny Diôsezin'Antsiranana. Zanakazo 7.000 fototra no novolena tao Anivorano-Avaratra, Distrikan'Antsiranana-II...
  • Manao rano lava ny firariantsoa sy ny vavaka ho an'ny fahasalaman'ny Papa François mbola manaraka fitsaboana ao amin'ny Hopitaly GEMELLI. Hatramin'ny mpino avy amin'ny Eglizy Anglikanina miombom-po sy mivavaka ho an'izay fahasalaman'ny Papa izay...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...