Ny niakaran'i Jesoa Kristy any an-danitra dia voasokajy ho isan'ny andro voadidy hohamasinina. Misy lafiny roa ny mistery ankalazaina : voalohany dia Izy Jesoa lasa nody any amin'ny Rainy izay niaviany ka tsy hitantsika maso intsony ; ny faharoa dia  mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra Rainy izy ary maneho ny voninahiny izay efa nananany. Katesizy momba ny niakaran'i Jesoa any an-danitra, miaraka amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alakamisy 26 mey 2022 — I Jesoa niakatra any an-danitra — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 46-53

♦ Hiroso amin'ny fitokonana lavareny ny SECES Sampana Antananarivo. Niatrika fivoriambe teny Ankatso indray androany ireo mpampianatra mpikaroka, nampahatsiahy ireo fitakiany... ♦ Vao mainka hiakatra noho ny amin'izao ny vidim-piainana eto Madagasikara, ao aorian'ny fiakaran'ny vidin-tsolika, hoy ny Profesora Ralison Roger... ♦ Hanomboka ny alatsinainy izao ka hatramin'ny tapaky ny volana jona ny adina ara-panatanjahantena Bakalôrea eto amin'ny faritanin'Antananarivo...

♦ Niakatra teny amin'ny PAC omaly tolakandro, ny raharaha kolikoly sy fanodikodinam-bola mahakasika an'i Mbola Rajaonah. Niisa 11 ireo vesatra niampanga ity mpandraharaha ity... ♦ Fepetra iraisan'ny ministera maromaro amin'ny filàna ravinahitra any ivelany, efa napetraka tamin'ny taona 2020 ihany, ilay naverina nampahafantarina hoy ny teo anivon'ny ministeran'ny raharaham-bahiny, fa goragora ny fampiharana azy, ka hohamafisina ankehitriny ho fisorohana ireo loza mety ahazo ny zanaka malagasy... ♦ Mitsipaka marindrano ny mety ho fandaniana am-boletra ny "ITG" ny solombavambahoaka an'Ambohidratrimo, mandeha ny feo fa kasaina ho dinihin'ny parlemantera indray izy io...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...