♦ Hamory ireo mpisehatra amin'ny harena ankibon'ny tany ny Federasiôna FOM, handinihana ny olana iainan'izy ireo amin'izao fotoana izao... ♦ Hametraka taninketsa ara-indostria zato mahery manerana ny nosy ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana... ♦ Baolina kitra, hanomboka amin'ny sabotsy izao ny lalao fifanintsanana hiadiana ny Amboaran'i Madagasikara Telma Coupe de Madagascar...

Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-pirenena mba hisian'ny fahatsaram-piainana, na eo amin'ny ankohonana io, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eo amin'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny mahantra dia ireo izay ahiliky ny fiaraha-monina, ireo tsy afa-mandroso araka ny tokony hoy izy. Ankehitriny ny fitiavana manokana ny mahantra dia mipaka hatrany amin'ireo vahoaka be tsy hita noanoa : noana, fadiranovana, tsy manan-kialofana, tsy afa-mitsabo, ireo kivy sy milaza ho resy. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alakamisy 19 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-11

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...