Ny fomba fanehoam-pitiavana eo amin'ny olona roa, eo amin'ny mpifankatia, mpianaka, mpinamana dia mifototra koa amin'ny fifanajàna. Mampiavaka antsika malagasy ny fandrindrana ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fifanajàna, eo koa ny fifandraisana amin'ny zavaboahary. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin'ny distrika Amboasary-Atsimo. Ny fisian'ny kolikoly no antony hoy ny filohan'ny CFM... ♦ Nahatontosa ny asany tamin'ny vonjy voina nihatra tamin'ireo tao anatin'ny angidimby nianjera an-dranomasina tany Mahambo ny BNGRC hoy ny tale jeneraliny, ny Jeneraly Elak Olivier Andriakaja... ♦ Nampahafantatra ny boky mirakitra ny momba an'ireo mpampivelona ara-dalana eta Madagasikara ny holafitry ny mpampivelona...

Araka ny fampianaran'ny fiangonana mahakasika ny fihofanana ho pretra dia samy manana andraikitra ny rehetra amin'ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra. Ny fianakaviana miserasera amin'ny fiainan'ny fiangonana no mamoha ny antso ho pretra. Ny fianankaviana entanin'ny finoana, fanantenana ary ny fitiavana no seminera voalohany hamoazana ny antson'Andriamanitra. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.

♦ Ny fandraisana fanapahan-kevitra, araka ny fomba fanao amin'ny sinaody, dia miankina amin'ny fandalinana sy ny fahaiza-mamantatra izay ambaran'ny Fanahy Masina amin'ny Fiangonana manontolo... ♦ Mitaky finiavana sy fahavononana hiova, sy handray fanabeazana ary hanaraka fiofanana mitohy ny fiarahan-dia...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...