Manana anjara toerana lehibe ny fahazarana eo amin'ny fanabeazana. Mety hanova ny zavatra maro ny fahazarana ohatra hoe ny ankohonana manana fahazarana miteny ratsy dia manana zanaka voabe mahay miteny ratsy ihany koa. Ny ankohonana no sekoly voalohany ary tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanabeazana. Ilaina ny mitaiza ny ankizy hanana fahazarana anefa tsara kokoa raha hazavaina tsara amin'ny ny antony tokony hanaovana ho fahazarana ny fihetsika iray...

♦ Heverina hivoaka andranomasina any amin'ny lakandranon'i Mozambika anio tolakandro ny sisan-drahona miaraka amin'ny rivodoza Dumako, tany Maevantanana ny ivony tamin'ny 6 ora maraina... ♦ Andro maromaro no efa niomana nnametraka ny fitaovana ho enti-manavotra ny vahoaka amin'ity rivodoza Dumako ity ny BNGRC... ♦ Misy antony matoa neken'ny filohan'ny repoblika ny fametraham-pialan'ny Ministra Imbiki Herilaza hoy ny Ministry ny kolontsaina sy ny serasera...

Mila toriana an-kafaliana ny Vaovao Mahafaly ary hafaliana vokatry ny fiombonan'aina amin'i Kristy. Mora tsikaritr'ireo itoriana ny Evanjely ary mifindra amin'izy ireo ny hafaliana. Manampy ireo mpitory tsy hihemotra amin'ny sedra isan-karazany ny hafaliana. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

♦ Niditra an-tanety tao amin'ny Distrikan'i Soanierana Ivongo, androany tamin'ny 3 ora tolakandro, ilay rivodoza Dumako, rehefa avy nipaka tao Sainte Marie tamin'ny 12 antoandro... ♦ Nandray ny asany amin'ny maha Minisitra mpiosolo toerana azy eo anivon'ny Fitsarana, ny Minisitry ny Asa, ny Fampananana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalana soasialy, Ranampy Gisèle... ♦ Niantso ny CFM handray andraikitra amin'ny disadisa anatiny misy eo amin'ny fitondrana ny CRM. Feno ny fepetra hirosoana amin'ny fikaonan-doham-pirenena, hoy Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...