Tamin’izany andro izany, i Maria nisaotra ny Tompo nanao hoe: "Mankalaza ny Tompo ny fanahiko; ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin’izao, dia hataon’ny taranaka rehetra hoe: sambatra aho, satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Ary masina ny Anarany, sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony. Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy; dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony; naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy, fa ny ambany kosa nasandrany; ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanankarena kosa, dia nampodîny nitondra tanam-polo. Niahy an’i Israely mpanompony Izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”
Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria vao nody tany an-tranony.
Tamin’izany andro izany, niainga i Maria, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta. Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: "Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao; ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’Andriamanitra taminy!"
Toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina sady tsy te-hanala baraka azy dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: "Ry Jôsefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina, ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe: Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany." Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: "Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe: amintsika Andriamanitra." Ary rahefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Jôsefa, dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy ka nampakatra ny vadiny.
Filazana ny Razan’i Jesoa Kristy, Zanak’i Davida, Zanak’i Abrahama. I Abrahama niteraka an’i Isaaka, i Isaaka niteraka an’i Jakôba; i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy; i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara; i Faresa niteraka an’i Esrôna, i Esrôna niteraka an’i Arama; i Arama niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba niteraka an’i Naasôna; i Naasôna niteraka an’i Salmôna; i Salmôna niteraka an’i Boôza tamin’i Rahaba; i Boôza niteraka an’i Obeda tamin’i Rôta; i Obeda niteraka an’i Jese, i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka.
I Davida mpanjaka niteraka an’i Salômôna tamin’ilay vadin’i Oria; i Salômôna niteraka an’i Rôbôama; i Rôbôama niteraka an’i Abiasa; i Abiasa niteraka an’i Asà, i Asà niteraka an’i Jôsafata; i Jôsafata niteraka an’i Jôrama, i Jôrama niteraka an’i Oziasa; i Oziasa niteraka an’i Jôatama; i Jôatama niteraka an’i Akaza; i Akaza niteraka an’i Ezekiasa; i Ezekiasa niteraka an’i Manase, i Manase niteraka an’i Amôna; i Amôna niteraka an’i Jôsiasa; i Jôsiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy, tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna.
Ary rahefa nifindra tany Babilôna, i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela; i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela; i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda, i Abioda niteraka an’i Eliakima; i Eliakima niteraka an’i Azôra, i Azôra niteraka an’i Sadôka; i Sadôka niteraka an’i Akima; i Akima niteraka an’i Elioda; i Elioda niteraka an’i Eleazara; i Eleazara niteraka an’i Matana, i Matana niteraka an’i Jakôba; ary i Jakôba niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa ilay atao hoe Kristy.
Koa ny taranaka rehetra hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’i Davida ka hatramin’ny nifindrana tany Babilôna, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’ny nifindrana tany Babilôna ka hatramin’i Kristy, dia taranaka efatra ambin’ny folo.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco