Nony lasa ny irak’i Joany, dia nambaran’i Jesoa tamin’ny vahoaka ny aminy ka hoy Izy: "Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra? Volotara hozongozonin’ny rivotra va? Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana, dia any an-tranon’ny mpanjaka no itoerany. Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Aho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza. Fa Izy no ilay voasoratra hoe: Indro Aho maniraka ny anjeliko eo anoloanao mba hamboatra lalana eo alohanao. Koa lazaiko aminareo fa amin’izay natera-behivavy tsy misy mpaminany lehibe noho i Joany Batista, nefa izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, no lehibe noho izy. Ary ny vahoaka rehetra izay nandre azy mbamin’ny poblikanina na dia nanamarina an’Andriamanitra, tamin’ny nandraisany ny batemin’i Joany; fa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna kosa nanatsinontsinona ny fikasan’Andriamanitra ny aminy tamin’ny nandavany ny batemin’i Joany."
Tamin’izany andro izany niantso roa lahy tamin’ny mpianany i Joany nalefany ho any amin’i Jesoa hanao aminy hoe: "Ianao va no Ilay ho avy, sa mbola hafa no handrasantsika?" Nony tonga tany aminy ireo dia nanao hoe: "Nirahin’i Joany Batista hankatý aminao izahay hanontany raha Ianao no Ilay ho avy, na mbola hafa no andrasantsika." Tamin’izay indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro niferinaina tamin’ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra jamba maro koa, koa izao no navaliny an’ireto iraka: "Mandehana lazao amin’i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty, torîna amin’ny mahantra ny Evanjely, ary sambatra izay rehetra tsy ho tafintohina noho ny amiko."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe: "Ahoana ny hevitrareo? Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: Andeha, anaka, miasa any an-tanim-boaloboko anio. Hoy izy: ‘Tsy handeha aho’, kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin’ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. Hoy io: ‘Handeha aho, tompoko’; kanefa tsy nandeha izy. Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy?" Hoy ireo: "Ny lahimatoa", dia hoy i Jesoa taminy: "Izaho milaza marina aminareo fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra; fa tonga teo aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany, nefa ianareo tsy nino azy; fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy; ary ianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy."
Tamin’izany andro izany, rahefa tafiditra tao an-tempoly i Jesoa ka nampianatra tao, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: "Fahefana avy aiza no anaovanao izao? ary iza no nahazoanao izany?" Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Hanontaniako zavatra iray loha kosa ianareo; ka raha voavalinareo izany dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. Avy taiza moa ny batemin’i Joany? avy tany an-danitra sa avy tamin’ny olona?" Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe: "Raha ataontsika hoe: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy ianareo? Ary raha ataontsika hoe: Avy tamin’ny olona indray, ny vahoaka kosa no atahorantsika, fa ataon’izy rehetra ho mpaminany i Joany." Dia izao no navaliny an’i Jesoa: "Tsy fantatray." Ary hoy Izy taminy: "Izaho koa àry, dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao."
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco