Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny vokabarin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ny fampiasàna azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro. Liana amin'ny voly vary.

♦ Andro faharoa amin'ny fihaonan'ny mpikamban'ny Governemanta amin'ireo Solombavam-bahoaka eny amin'ny CCI Ivato ny anio... ♦ Miantso ireo Solombavam-bahoaka mba tena hanadihady sy hanokatra adihevitra matotra amin'ny zava-misy marina eo amin'ny tontolon'ny fampianarana ny Vovonan'ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara...

Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny Finoana ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Na ny finoana kristiana, na ny finoana silamo, na ny finoana mandala ny fomba nentim-paharazana malagasy, na ny finoana hafa dia samy manome lanja ny fiarovana ny tontolo iainana avokoa noho izy ireo iombonan’ny olona maro. Araka izany dia afaka miara-miasa ireo antokom-pinoana maro eto Madagasikara, mitady vaha-olana maharitra sy tsara kokoa entina miaro ny tontolo iainana, mamerina ny tontolo iainana amin’ny laoniny ary entina mampalefaka kokoa ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetr’andro.

Zoma 3 desambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 27-31

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...