♦ Mitohy ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy ataon'ny Ceni, anatin'ny fanaraha-maso izany izy ireo ankehitriny... ♦ Nivadika rivodoza, androany maraina, ilay andro ratsy tao amin'ny ranomasimbe indiana. Mahatratra 85 km/ora ny rivotra miaraka amin'i Emnati, arahana tafiotra 120 km/ora... ♦ Dibo-drano ny tanànan'i Toamasina-I sy Toamasina-II noho ny rotsak'orana netin'ilay rivodoza Dumako nandalo omaly, 2500 isa ny olona traboina araka ny tatitra vonjy maika...

♦ Mazoto amin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny CENI saingy tsy azo irotorotoana ny fanaovana izany hoy ny filoha lefitra Andriamalazaray Andoniaina... ♦ Niainga teto an-drenivohitra omaly ny fiarabe 15, mitondra ny vary tsinjo ho an'ny faritra 6, nitondra faisana tamin'ny rivodoza Batsirai... ♦ Velon-taraina ireo fokonolona ao Ampiringa, Kaominina Andina distrika Ambositra noho ny fisian'ny fitrandrahana vato. Iharan'ny tsindry hazo lena ireo fokonolona...

Manana adidy ny laïka ho lalivay eo an'ivon'izao tontolo izao ka ho fiadanana sy fahamarinana ary fifankatiavana no hiainana eto an-tany. Tokony hafehy ny fitaovan-tserasera sy karazam-pitenena misy ankehitriny ireo mpitory ny Evanjely. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

♦ Fanapahan-kevitra mahasoa ny vahoaka sy ny firenena no noraisina, hoy ny Praiminisitra, raha nanontanian'ny mpanao gazety momba ny raharaha Imbiky Herilaza, androany... ♦ Ilaina saingy tsy azo irotorotoana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, hoy ny eo anivon'ny CENI... ♦ Misy andro ratsy ahiana hivadika ho rivodoza indray ao amin'ny Ranomasimbe Indianina, araka ny filazan'ny Météo. Efa nivoaka an-dranomasina androany tolak'andro kosa i Dumako...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...