♦ Voasoroka ny fifandonana teo amin'ny mpianatry ny Lycée Technique Alarobia sy ny Lycée Technique Mahamasina, noho ny fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana sy ny mpampianatra... ♦ Mbola olana ho an'ny sehatry ny asa amin'izao fotoana izao ny fivoaran'ny valan'aretina Covid-19. Nanamafy izany androany ny solontenan'ny OIT eto Madagasikara...
Tamin’izany andro izany, rahefa nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa sy ny mpianany, dia nanontany Azy ny mpianany nanao hoe: "Ahoana àry no ilazan’ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?" Ary namaly Izy ka nanao hoe: "Tsy maintsy ho avy tokoa i Elia ka hanavao ny zavatra rehetra. Nefa lazaiko aminareo fa tonga sahady i Elia, fa tsy fantatry ny olona izy, ka nanaovany izay sitraky ny fony. Ary ho tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak’Olona." Dia fantatry ny mpianatra tamin’izay fa i Joany Batista no nolazainy taminy.
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Amin’inona no hanoharako itý taranaka itý? Amin’ny ankizy madinika mipetraka eny an-kianja izay miantso ny namany, ka manao hoe: Nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nandòn-tratra ianareo. Fa tonga i Joany, tsy nihinana tsy nisotro, nataon’ny olona hoe: Azon’ny demony izy. Tonga indray ny Zanak’Olona, mihinana sy misotro, lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan’ny poblikanina mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra. Fa efa nohamarinin’ny asany ny Fahendrena."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy. Ary hatramin’ny andron’i Joany Batista no ho mankatý dia azo an-keriny ny Fanjakan’ny lanitra, ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy. Fa ny Mpaminany rehetra sy ny Lalàna dia naminany hatramin’i Joany, ary raha mety mino ianareo dia izy no ilay Elia ho avy. Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino."
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco