Misy fotoana, manana fahavononana ihany isika anefa tsy ampy risi-po, misalasala sady matahotra. Mazava ny tenin'i Jesoa : " rehefa mety ho mpitana angadin'omby miherika, dia tsy sahaza ny fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Sabotsy 27 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 34-36
♦ Naneho ny alahelony ny K2HB, manoloana ny vaovao niparitaka androany fa nosamborina tany Bénin ny Filohan'ny Federasiona Malagasin'ny baolina kitra... ♦ Miantso ireo Loholona hihaino ny hevitry ny olom-pirenena ny vondron'ny fiaraha-monim-pirenena CCOC amin'ny fandaniana ny teti-bolam-panjakana 2022... ♦ Nahitana "variant" vaovaon'ny Covid-19 indray atsy Afrika Atsimo. Milaza ny hampiato ny sidina rehetra avy any amin'ity firenena ity ny Vaomiera Eoropeana...
Vavaka sy fomba entin'ny kristianina miara-mankalaza an'Andriamanitra ny litorjia. Mba hampirindra ny fankalazana litorjika, dia naorin'ny Eglizy ny vaomiera litorjika ahitana ireo solo-tena avy amin'ny hery velona misy eo amin'ny paroasy.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco