Misy fotoana i Jesoa mihitsy no miantso ka milaza amintsika hoe "manaraha ahy", saingy isika indray no be fialan-tsiny ka mametraka elanelana amin'ny endri-javatra maro. Soa fa mbola eo hatrany Jesoa manitsy dia antsika. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Zoma 26 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 29-33

♦ Mitaky ny hanitsiana ny karaman'ny mpiasa tsy ankanavaka ny Firaisan-kinan'ny Sendika eto Madagasikarana ny SSM... ♦ Miantso ny fanjakana hanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ireo sendika ao amin'ny Industrial Global eto Madagasikara... ♦ Tanan-dehibe manerana ny nosy androany, no samy nandray ilay foara ara-toe-karena sy ara-barotry ny Faritra 23 eto Madagasikara...

♦ Tonga androany tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato nhy fatram-baksiny Pfzer 390 000 daozy mahery avy amin'ny fitondrana amerikana... ♦ Namoaka fanambarana ny SECES sampana Antananarivo fa tsy hanao afatsy ny fetr'asa tsy maintsy tanterahana izy ireo hisorohana ny fitokonana... ♦ Nisy namono alina ny vadin'ny pasitoran'ny FLM ao an-tapon-tanànan'i Betroka. Tsy mbola fantatra ny nahavanona ny loza...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...