♦ Tanterahana anio ny famelabelarana arahana ady hevitra karakarain'ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka sy ny vondrona Panorama... ♦ Tsy marina ny fisian'ny fikonokononana amin'ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta, hoy ny solombavambahoaka IRD... ♦ Miparitaka ao amin'ny Faritra Vakinankaratra ny valanaretina mahazo ny omby. Tratran'ny aretina avokoa na ny omby vavy be ronono na ny omby entina miasa eny an-tsaha...
Ny antso iantsoan'Andriamanitra ny olombelona rehetra dia ny "ho masina". Antso tokana iantsoana antsika efa hatrany amboalohany izany. Porofo izay voasoratra ao amin'ny Livitika : Aoka ho masina ianareo, satria masina aho, Tompo Andriamanitrareo ; hamasino ny tenanareo, ary aoka ho masina ianareo. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Sabotsy 13 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 1-8
Nitondra ny anjara biriky tamin'ny asa fampivoarana ny seha-pamokarana teny ambanivohitra ny Foibe FAFIALA. Hanamarika ny faha-30 taona nijoroany ity foibe manana ny foiben-teorana eny Ambohimangakely Antananarivo-Avaradrano amin'ny taona 2022...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco