♦ Vatana mangatsiaka 43 an'ireo mpandeha tamin'ilay sambo "Francia III" rendrika, no hitan'ny mpikaroka androany. Olona 133 tamin'ireo mpandeha nentin'ity sambo ity no efa hita hatramin'izao... ♦ Hita androany hariva teo ny Talen'ny fiarovana eo anivon'ny Primatiora, anisan'ireo tao anatin'ilay angindimby nianjera. Indrisy fa vatana mangatsiaka sisa nitsingevana hitan'ny mpikaroka... ♦ Andro fisaonam-pirenena noho ny zava-nitranga tany Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo ny rahampitso...
♦ Maneho ny fiaraha-miory ho an'ny fitondram-panjakàna, ny faritra Analanjirofo, ny diôsezin'i Fenoarivo-atsinanana ary ny fianakavian'ireo niaram-boina tamin'ilay loza an-dranomasina nitranga ny alatsinainy teo ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Mbola manohana ny fitakiana efa nataon'ireo vovonam-pikambanana samihafa ny ny tranoben'ny tantsaha, amin'ny tokony handinihana ny lalàna mifehy ny fananan-tany... ♦ Hanangana antoko pôlitika vaovao Andriamatoa Paraina Auguste amin'ny taona ho avy...
Ny mpisehatra amin'ny telozorom-panabeazana dia miroaroa saina manoloana ny fialan-tsasatry ny Noely 2021 ity. Misy zavatra maromaro mampiavaka ity fialan-tsasatra ity mantsy toy ny : fiatraikan'ny fiovan'ny toetrandro, fahatapahan'ny fampianarana tapoka noho ny Covid-19, famerenana ny fampanajàna ny fepetra sy ny fihetsika sakana amin'ny maha ao anatin'ny vanim-potoanan'ny "Fahamailona ara-pahasalamana" ny faritra vitsivitsy noho ny valan'aretina.
♦ Natokan'ny fitondram-panjakàna ho andro fisaonam-pirenena ny rahampitso alakamisy ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy nandeha tamin'ilay sambo Francia rendrindra tany Soanierana-Ivongo... ♦ Maneho ny fiaraha-miory ho an'ny fitondram-panjakàna, ny faritra Analanjirofo, ny diôsezin'i Fenoarivo atsinanana ary ny fianakavian'ireo niaram-boina tamin'ity loza an-dranomasina ity ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Tetik'asa PAPRIZ naharesy lahatra ireo tantsaha...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco