Feno 100 taona amin'ity taona ity ny nahitàna ny "insuline", izay singa iray amin'ny fitsaboana ny diabeta ary nahavotra olona maro. Ny 14 novambra 2021 izao no fanamarihana ny andro eran-tany ho an'ny diabeta ka ny lohahevitra dia ny hoe : Fisitrahana ny fanafody hitsaboana ny diabeta ; raha tsy izao, dia rahoviana indray. Misedra olana ny mararin'ny diabeta : tsy fahitàna fanafody sy fitaovana, tsy ampy ny fahafahana ara-bola. Voka-dratsy : lalan-dra tapaka, aretin'ny voa, AVC, fivalanan-rano matetika...
♦ Feno 26 taona katroka androany ny naha-may ny Rovan'i Manjakamiadana. Mangingina ny hetsika fahatsiarovana izany ho an'ity tontolo andro ity... ♦ Tsy nilefitra amin'ny fitakiam-bola ataon'ireo klioba 16, izay mitokona tsy handray anjara amin'ny fifaninanam-pirenena Top20 ny FMR. Mandrangaranga sazy ho an'ireo klioba tsy hiatrika ampaha-valon-dalana... ♦ Mpandraharaha hatrany amin'ny 350 isa no hihaona eny amin'ny Motel Anosy ny 12 sy 13 novambra izao, fotoana hifampizaràna traik'efa taorian'ny fiofanana...
♦ Fahadisoan-kevitra ny filazàna ny mbola hitakiana ireo nosy manodidina, hoy ny Pr Raymond Ranjeva. Nambarany fa efa neken'ny Firenena Mikambana fa an'i Madagasikara ireo nosy ireo... ♦ Mahazo vahana tato ho ato ny fisian'ny didim-pitsaràna hosoka eo anivon'ny Fitsaràna Ambaratonga voalohany Antananarivo... ♦ Ny 4,8%-ny mpiasa amin'ny sehatra tsy manara-drafitra dia amin'ny asa fanorenana avokoa, araka ny fanadihadian'ny ONEF, notohanan'ny OIT...
Hoy ny Pape : rehefa nanao "eny" fa hanao ny sitrapon'Andriamanitra dia manana hery handresena ny tahotra eo am-panorenana ny ho avy. Ry tanora malala, aleoko mahita anareo mavitribitrika fa tsy kanosa sy votsavotsa. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco